Sesilany ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana amin’ny endriny samihafa amin’izao fotoana.
Tena baikon’ny faharesen-dahatra tsy vidiam-bola aman-karena. Mizara sy manome ho mariky ny fitiavana an’i Marc Ravalomanana, ary maro ny endrika isehoan’izany ankehitriny. Mahavatra mandany andro sy fotoana, ary manohana amin’ny endriny hafa mihitsy ankoatra ny fandrotsaham-bola amin’ny alalan’ilay kaonty tahiry. Eny Ambohitrimanjaka eny, ohatra, dia misy orinasa madinidinika iray mahavatra mamboatra ireny t-shirt ireny ho fanohanana an’i Marc Ravalomanana noho ny fitiavana sy ny fanantenana, fa izy no afaka hanarina indray ny nopotehina, ary afaka mahavita betsaka lavitra noho ny efa nataony teo aloha. Maro ihany koa amin’izao ny manamaro isa amin’ny alalan’ny fitaovana eo am-pelantanany na koa mamoaka vola avy any am-paosy mba hananan’ny maro ilay toky omen’i Marc Ravalomanana ho an’ny vahoaka Malagasy na ilay “Manifesto” izay laharam-pahamehana hotanterahina ao anatin’ny MAP 2. Mazava sy hita soritra fa misy ary tsy vitsy ireo manam-piniavana manokana sy mahafoy vola aman-karena ary fotoana hampandaniana an’i Marc Ravalomanana amin’ny fomba rehetra. Na ny eto an-tanindrazana na ny any ampitan-dranomasina, dia maro no miombom-po sy manohana amin’ny lafiny rehetra ny kandida laharana faha-25.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.