Politique

Fanohanana an-dRavalo any Anôsy Manamboninahitra iray mampihorohoro


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Manomboka ny fampihorohoroana ara-politika ataona amin’izao fifidianana izao, ary miditra an-tsehatra hatramin’ny mpitandro any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia any Anôsy any amin’izao fotoana izao.

 

Manamboninahitra zandary iray no mampihorohoro, raha ny fampitam-baovao any an-toerana satria mampiahiahy ny fihetsiny nanomboka omaly niantombohan’ny fampielezan-kevitra.  Mandrahona ireo mpanohana sy ny mpanaradia ny kandidà Marc Ravalomanana io manamboninahitra ambony io, raha ny fanamarihana. Milaza mihitsy fa hijery ireo izay handatsa-bato ho an’io kandidà io izy, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tena misy mihitsy ny fampihorohoroana ara-tsaina satria hataony mahalala ny anarany ireo izay tratrany, indrindra fa mitarika ny kandida faha-25, hoy ny fitarainana. Voiziny mafy fa mankahala zandary ny kandidà Marc Ravalomanana ary mankahala ny kalaony ihany koa, hono, ka tsy mendrika ny hitantana ny firenena intsony. Anjaran’ny manamboninahitra mitana andraikitra fibaikoana ve ny manery ny mpifidy handatsa-bato ho an’ny kandidà izatsy na izaroa? Mipoitra hatrany ny fiezahan’ny sasany hanao fitaovana ny mpitandro filaminana ary katsahina hatao fomba fiady hatrany ny mety tsy fifankahazoana kely teo amin’ny tafika sy ny kandida Marc Ravalomanana, izay nametraka tao anatin’ny horonan-tsary “The return of a president”, fa tsy nanokana ny 40% amin’ny tetibolam-panjakana ho an’ny tafika izy satria tsy noheritreretina mihitsy fa hisy hanani-bohitra I Madagasikara ka ilana izany. Efa nandray lesona tamin’ny tantara kosa anefa izy ankehitriny. Ankehitriny, dia efa niova ny tantara satria ny ankamaroan’ireo manamboninahitra ambony izay anisan’ny nikely aina tamin’ny fankahalana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2002 sy 2009 aza dia efa saika lohalaharana amin’ny fanohanana azy amin’izao fifidianana fihodinana faharoa izao. Andrasana ny mety ho fijeren’ny eo anivon’ny Fibaikoana ny zandarimaria io manamboninahitra iray io, izay raisin’ny olona ho lasa herim-pamoretana ara-politika hoenti-manitsakitsaka sy mampihorohoro ny vahoaka amin’ny safidiny tokony halalaka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT