Vaky ambatolampy ny hala-bato tany amin’ny Kaominina Masoarivo Distrikan’Antsalova nandritra ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015 lasa teo.
Novaina ankitsirano tsotra izao teny an-dalana ny vokatry ny safidim-bahoaka, lasibatra tamin’izany ny tao amin’ny biraom-pifidianana Masoarivo sy Bevoay. Mpiasam-panjakana no natao fitoavana, ary norahonana hafindra toerana raha tsy mahatanteraka ny iraka ampanaovina azy ireo. Tratra ambodiomby izy ireo ny alahady 2 aogositra 2015 vao mangiran-dratsy tamin’ny roa ora maraina. Dimy lahy no tratra, ary samy niaiky fa nanova fitanana an-tsoratra. Mbola voatazona ao amin’ny borigadin’ny zandary Antsalova izy ireo amin’izao anaovana fanadihadiana. Vokatr’io hala-bato io dia nitsimbadika ny voka-pifidianana tao amin’ity kaominina Masoarivo ity, ka nanjary mitarika vonjimaika ny HVM. Roanjato mahery ny elanelam-batony miohatra amin’ny RPSD Vaovao, raha ity farany no fantatra fa nitarika tamin’ny isam-bato 135 miohatra amin’ny HVM taorian’ny fanisam-bato ny alin’ny 31 jolay 2015. Niisa dimy ny kandida Ben’ny tanàna nifaninana tao. Tsy hamela ho vitavita ho azy an’io teo-javatra io ny RPSD Vaovao tarihin’i Voninahitsy Jean Eugène, ka nametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ary koa nametraka fitoriana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga. Manana fitanana an-tsoratra mirakitra ny voka-pifidianana tena izy rahateo izy ireo hanamarinana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.