Politique

Fanodinkodinana safidim-bahoaka Hampiverina ny hetsika toy ny tamin’ny 2002…


  • Zoma 02 Novambra 2018

Tsy maniry loza fa ahiana ny korontana amin’ity fifidianana ity noho ny tsy fifampatokisana. Mikofokofoka manao fampielezan-kevitra ireo sokajiana ho kandida vaventy, raha toa ka efa nilaza ireo sokajiana ho kandida salantsalany fa tsy hanaiky izay voka-pifidianana eo, raha io lisi-pifidianana io no ampiasaina tsy misy fanadiovana.

 

Mandeha ny resaka sy ny feo isan-karazany amin’ny hoe hampandaniana kandida iray voalaza fa manatobaka volabe ao anatin’izao fifidianana izao. Malaza hatramin’ny hoe misy kandida mandraviravy volabe ny mpikarakara fifidianana, ka efa mipetrapetraka ny hala-bato amin’ny alalan’ny rindrambaiko na “logiciel”, araka ny feo mandeha. Mipetraka ny tsy fifampatokisana lehibe. Ahiana ny hisian’ny herisetra satria tsy hisy hanaiky lembenana ny resaka halatra bevava eo. Ny kandida namafy volabe izay mahavita mizara vola ho an’ny olona ve izao hanaiky mora foana raha tsy lany eo ? Efa mandeha ny don-tandroka arahina herisetra madinidinika. Handeha ny endri-pifanolanana samihafa toy ny fitakiana ny fampitahana firaketana an-tsoratra na ny “PV”,… Ahiana sahady ny fifandonana vao mety hiditra amin’ny fandaminana sy fifampiresahana. Mety ho tonga hatrany amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe, rehefa tsapa sy hita mibaribary ny halatra bevava, toy ny tamin’ny 2002 izay ny vahoaka no nijoro sy niaro ny safidiny. Tsy hay na hisy ny fandraisan’andraikitra tamin’ny resaka fandikan-dalàna ihany aoriana ao na ho vitavita ho azy, fa nisy kandida nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana teto, nisy minisitra nanao propagandin’ny antokony sy ny kandidany teto, misy mpanolotsaina praiminisitra manao propagandy eto,… ka ny fijerem-potsiny an’ireny dia efa endrika iray hitarafan’ny mpitazana fa misy ny fanomezana tombondahiny kandida iray, ary mitarika ny saina hieritreritra fa hatao izay hahalany iny kandida iny amin’ny fomba rehetra. Ho an’ny kandida Marc Ravalomanana raha nanontaniana ny heviny, dia misy fetrany ny azo ekena sy ny tsy azo ekena rehefa hita miharihary, hoy izy, ary misy ny mpanara-maso na vahiny na Malagasy izay inoany fa tena hijery akaiky.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT