Mipongatra tsikelikely ireo fandikan-dalàna niseho nandritra ny tetezamita tsy nisy tondrozotra. Fantatra mantsy izao fa dia misy minisitra roa tamin’ny andron’ny Fahefana avon’ny tetezamita hifandimby hiakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly anio sy rahampitso.
Anisan’ny anenjehana azy ireo ny fanodinkodinam-bolam-panjakana miaro fanararaotam-pahefana. Mahalala tsara ny raharaha anenjehana azy ireo ny filoham-pirenena ankehitriny satria samy mpikambana tao amin’ny governemanta niaraka taminy izy roalahy voarohirohy ireo. Andrasan’ny maro ny hivoahan’ny marina amin’ny raharaha toy itony, fa tsy hanao ho very anjavony fotsiny, toy ny tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay nahavoarohirohy ny minisitra iray tamin’ny andron’ny tetezamita ihany koa, amina raharaha ara-bola tamin’ny fandraisana mpampianatra FRAM, nefa dia nangina tsy nisy tohiny intsony avy eo ny momba azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.