Politique

Fano Rakotondrazaka-CENI « Mila mahafantatra tsara ny fepetra efa noraisina ny vahiny »


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Tsy mihemotra intsony fa raikitra ny fifidianana. Tonga tsikelikely eto amintsika ny mpanara-maso fifidianana avy amin`ny vondrona iraisam-pirenena, vondrona eoropeanina, SADC,…

Anisan`ny anakiray lehibe heverin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa hanatsara endrika izany fifidianana izany sy hampangarahara kokoa ny fifidianana ny fisian`ny mpanara-maso avy any ivelany. Araka ny nambaran`i Fano Rakotondrazaka, mpampiaka-tenin`ny CENI, fa raha misy lafin-javatra tian`ireo mpanara-maso vahiny ho fantatra dia misokatra ny varavaran`ny CENI. Nilaza izy fa mila mahafantatra ny lafin-javatra efa tontosa sy fepetra efa no raisina hanatrehana fifidianana ireo vahiny ireo. Malalaka ny  mpanara-maso manatanteraka ny asany fa ny CENI kosa dia manana anjara asa amin`ny fampahalalam-baovao mahakasika ny fifidianana toy ny « cadre juridique » na ny araka ny nambaran`ny lalàna  hitondrana ny fifidianana, ireo fepetra samihafa noraisina… Nohamafisiny kosa fa malalaka ny lafiny fanaraha-maso ataon`ny vahiny ary manana fomba fiasany ny avy any ivelany saingy tsy latsa-danja kosa ny mpara-maso avy eto an-toerana. Ny mpanaraha-maso avy eto an-toerana no afaka mandeha mitondra ny raharaha, manao fitoriana any amin`ny fitsarana raha ohatra ka tsy maintsy hatao izany. Hajoro ato ho ato rahateo ny « centre d`accréditation » na foibe mpanome alalana handrindra  ny resaka fanaraha-maso amin fifidianana eo anivon`ny CENI hanamoràna ny fisian`ny fanatanterahana ny asan`ny mpanara-maso mandritra ny fifidianana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT