Tsy mihemotra intsony fa raikitra ny fifidianana. Tonga tsikelikely eto amintsika ny mpanara-maso fifidianana avy amin`ny vondrona iraisam-pirenena, vondrona eoropeanina, SADC,…
Anisan`ny anakiray lehibe heverin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa hanatsara endrika izany fifidianana izany sy hampangarahara kokoa ny fifidianana ny fisian`ny mpanara-maso avy any ivelany. Araka ny nambaran`i Fano Rakotondrazaka, mpampiaka-tenin`ny CENI, fa raha misy lafin-javatra tian`ireo mpanara-maso vahiny ho fantatra dia misokatra ny varavaran`ny CENI. Nilaza izy fa mila mahafantatra ny lafin-javatra efa tontosa sy fepetra efa no raisina hanatrehana fifidianana ireo vahiny ireo. Malalaka ny mpanara-maso manatanteraka ny asany fa ny CENI kosa dia manana anjara asa amin`ny fampahalalam-baovao mahakasika ny fifidianana toy ny « cadre juridique » na ny araka ny nambaran`ny lalàna hitondrana ny fifidianana, ireo fepetra samihafa noraisina… Nohamafisiny kosa fa malalaka ny lafiny fanaraha-maso ataon`ny vahiny ary manana fomba fiasany ny avy any ivelany saingy tsy latsa-danja kosa ny mpara-maso avy eto an-toerana. Ny mpanaraha-maso avy eto an-toerana no afaka mandeha mitondra ny raharaha, manao fitoriana any amin`ny fitsarana raha ohatra ka tsy maintsy hatao izany. Hajoro ato ho ato rahateo ny « centre d`accréditation » na foibe mpanome alalana handrindra ny resaka fanaraha-maso amin fifidianana eo anivon`ny CENI hanamoràna ny fisian`ny fanatanterahana ny asan`ny mpanara-maso mandritra ny fifidianana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.