Efa tena marary tanteraka ny toekaren’i Madagasikara amin’izao fotoana, azo sokajiana ho sahirana ara-pivelomana ny 92% n’ny Malagasy , tsy misy afa-tsy 3% ny fitomboan’ny harinkarena azo anteniana amin’ity 2014, ary tsy mbola misy mihitsy hatreto aloha ny fanombohana asa goavana ho fanavotana ny sosialim-bahoaka sy ho fameloman’aina ny toekarem-pirenena.
Tsy misy ny vola, mihitsoka ny famatsiam-bola
Mitotongana isan’andro ny vola malagasy, efa ho 3200 ariary ny euro iray raha toa ka manodidina 2585 ariary kosa ny dolara.Mijanona ho resaka hatreto ny famatsiam-bola avy any ivelany izay tsy maintsy ilaina amin’ny famonjena ny toekarena.Tsy mbola resy lahatra amin’ilay PND (Programme National de Développement) fandaharanasam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ireo miara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amintsika avy any ivelany satria tsy mahatoky ny fahamatoran’ny fanjakana mijoro, ary mahita fa mbola kitoatoa ny fomba fiasa eto.Sombitsombim-bola no omen’ny Amerikana sy ny eoropeanina ny fitondrana Rajaonarimampianina fa tsy mbola mety mamatsy vola ireo fandaharanasa goavana mitenitina aman-jatony tapitrisa dolara izy ireo.Nandamoka ny paikady saika haka vola amina miliara dolara tany amin’ny Sinoa, mbola miahaka any ivelany ny harem-pirenena dia ireo boaderozy mihitsoka any Singapore sy Kenya , tsy fantatra intsony hoe efa namidy an-tsokosoko ve ireo hazo saorbidy ireo sa ahoana.Mandeha ny resaka fa efa mivoaka sempotra amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana isam-bolana ny fanjakana Malagasy.
Kabary no betsaka
Manampy trotraka izany rehetra izay dia tsy mety voavaha ny olan’ny delestazy, miverina indray ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny ora maro eto Antananarivo sy Antsirabe sy any amin’ny faritra hafa, midika izany fa tsy mbola milamina ny ao amin’ny Jirama ao.Miha potika ny lalana eto an-drenivohitra sy amin’ny lalam-pirenena maro, aiza izay fanamboarana na fikojakojana, tsy misy. Eny fa na ny fifamoivoizana aza dia tsy voafehy intsony, fitohana etsy sy eroa. Farak’izay bitika amin’ny resaka fahaiza-mitantana sy fahaiza-mandamina izany , kanefa dia tsy misy fihezahana mihitsy mba hanamaivana ny fahorian’ny vahoaka. Miverina ny barofo, miverina ny sarety sy kamio lehibe, manao izay tiany amin’ny ora tiany handehanana eny amin’ny arabe. Mampanontany tena ny zavatra tahaka izany hoe : tany tsy misy mpitondra, tsy misy fanjakana ary ve i Madagasikara ? Inona fotsiny no ataon’ireo mpitondra amin’izao fotoana ? Toa sahirana miaro ny sezany no mahamaika azy ireo fa tsy mamaky loha hikarakara vahoaka mihitsy. Raha ny fomba firesaka anefa dia tsara dia tsara tokoa, fa ny fanatanterahana hatreto dia… Zero.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.