Maro ny ezaka tsy maintsy hatrehan’i Madagasikara mba hisian’ny fanjakana tsara tantana. Voalohany, tokony hiezaka sy hampiseho ny ohatra tsara ireo mpitantana na ny mpitondra fanjakana.
Tanterahana eny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny nanomboka omaly ary hifarana anio ny atrikasa manokana ho an’ireo mpitondra fanjakana eto amintsika, noho ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana na CNUCED. Niaina krizy tao anatin’ny fotoana maharitra i Madagasikara, nisy voka-dratsiny tamin’ny toekarena sy ny fanaovana politika ary ny sosialim-bahoaka izany. Mibaribary ihany koa fa tsy tsara tantana ny firenena ary maro ny manampahefana voatonontonana amina afera maizina, eo ihany koa ireo tena tsy mahafantatra tsara ny andraikiny sy ny takiana aminy. Tsy ho mora mihitsy noho izany ny hametraka ny fanjakana tsara tantana eto Madagasikara fa tena asa goavana sy makadiry noho ny fahazaran-dratsy efa nisy ary mbola nohamafisin’ny krizy. Antenaina fa handroso haingana i Madagasikara, hoy ny filoha Rajaonarimampianina izay nanatrika ny atrikasa omaly ary tena hisy vokany tsara amin’ny fiainam-bahoaka izany. Tokony hojerena ihany koa, hoy izy, ny fomba hamadihana ny fanantenana miboiboika ao am-pon’ny malagasy ho lasa fototry ny fivoarana sy fandrosoana, miainga any ifotony ka hatrany amin’ny mpitondra fanjakana faratampony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.