Politique

Fanjakana Rajoelina Mipoerapoera amin’ny asa vitan’ny hafa


  • Zoma 08 Febroary 2019

Tapa-bolana mahery izay no nitantanan’ny fanjakana Rajoelina ny firenena, ary tsy mbola ampy hitsarana azy izany.

 

Miezaka mampiseho fa tena miasa sy manao zavatra. Ny asa sosialy dia te hilaza fa mahavita azy, saingy efa adidin’ny fanjakana izany ka tsy mila hireharehana firy, saingy na iza na iza moa eo dia tsy maintsy hampideradera sy hampiseho fa manao zavatra sy nahavita zavatra. Na izany aza, dia tsapa sy miharihary ny famantanam-bonona ataon’ny fanjakana Rajoelina etsy sy eroa kanefa ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no hireharehany sy ezahina afenina fa ezaky ny fitondrana teo alohany ireny. Iniana takonana mafy sy tsy resahina fa nolovaina tamin’ny mpitondra teo alohany ny tetikasa toa tiany holazaina fa azy sy tiany haseho fa izy no nitatatra sy nively vy tamin’ireny. Mety tsy hain’ny fanjakana Rajaonarimampianina rahateo no tena nampiseho ireo zava-bitany izay takon’ireo mety ho tsy fetezana sy toe-javatra nanaratsy endrika ny fitondrana. ankehitriny, mamantam-bonina ny fanjakana Rajoelina, ary mirehareha fatratra amin’ny tsy nisasarany. Nandeha ny tany Atsimo, dia i Andry Rajoelina no mirehareha fatratra fa manao ny tetikasa fitarihan-drano any an-toerana, izay ny 10% sisa no tsy vita tamin’ny fitondrana teo aloha noho ny fahataran’ny fitaovana. Ny resaka vovon-drano izay tetikasa iarahana amin’ny sinoa, izay ny fanjakana teo alohany no nisasatra sy nively vy fa izy kosa no mirehareha ho manao zavatra. Nisy ny fanomezana natolotry ny fanjakana Koreanina ho an’ny fanjakana Malagasy tamin'ny 13 jolay 2017 izay karazana fiara toy ny fitondrana marary 22, famonjena voina 22, “pelles hydrauéléctriques” miisa 22, “motopompes de grandes capacités” miisa 22, “postes de commandement et cliniques mobiles” miisa 11,… ka raha atambatra dia 143 ireo fitaovana goavana ireo, izay natolotra hotantanan’ny BNGRC isam-paritra.   Ny fiarabe efa misy fitaovana fitsaboana raitra sy ilaina no hireharehan’ny fanjakana Rajoelina sy mody nasiana soratra “Repoblikan’i Madagasikara”. Maro ireo asa efa nanomboka tamin’ny fanjakana teo aloha no ireharehan’ny fanjakana ankehitriny, ary mbola ity fanjakana ity no hisitraka ireo asa hafa, toy ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato, ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny lalan’i By Pass,… fa izay tena azy sy tetikasany mbola lavitry ny kitay ny afo. Na ny fanamboarana ny Rova aza efa tamin’ny fanjakana Ravalomanana, ary efa tokony ho vita tamin’ny 2010, raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana. Na ireo trano andraisana ireo traboina eny Ambohidratrimo aza dia ny fanjakana HVM no nanao azy.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT