Politique

Fanjakana mahefa Tsy manome lanja ireo harem-pirenena


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Mifanojo ny fomba fijerin’ireo manampahaizana eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny mpikirakira ny ara-toekarena malagasy amin’ny filazana fa olana goavana tsy voafehin’ny mpitondra fanjakana malagasy ny fanomezan-danja ireo karazana harem-pirenena eto amintsika.

. Voalohany indrindra amin’izany ny mponina eto Madagasikara. Manamarina io trangan-javatra io ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana tarehimarika marim-pototra momba ny isan’ny vahoaka malagasy. Amin’ny volana aogositra 2016 rahateo vao hiroso amin’ny fanisana ankapobeny ny firenena Malagasy izay efa tokony ho notanterahana tamin’ny taona 2013. Tsy nihafahafa ihany koa ireo mpahay toekarenan’ny Banky iraisam-pirenena nanambara fa manan-karena tsy hita pesipesenina ara-boajanahary i Madagasikara. Antony iray lehibe tsy mbola mampitotongana ny lafiny ara-toekaren’ny firenena malagasy izany. Atahorana ho lany tamingana anefa izy ireo raha tsy mipetraka ireo rafitra matanjaka, araka ny toromarik’ity rafitra mpamatsy vola manerantany ity. Fepetra tokana takiana eo am-panatanterahana azy io ny fitantanana mahomby miaraka amin’ny fandrafetana lalàna mifanaraka amin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny tontolon’ny fifaninanana mangarahara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT