Antoky ny fiaingan’ny toekaren’i Madagasikara ny fampandrosoana ny faritra tsirairay misy ao aminy.
Nanambara ny filohan’ny Faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndrantonomena fa antony mampikatso an’Antananarivo ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny fitondrana foibe sy ny ben’ny tanàna. Amin’izao fananana filoham-pirenena vaovao izao dia mila mandray lesona ny rehetra satria tena ilaina ny fifanomezan-tanan’ny fitondram-panjakana foibe sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hoy izy. Tokony hitady vahaolana miaraka mantsy ny roa tonta hoentina hampandroso ny tanànan’Antananarivo. Ho an’ny faritra Analamanga manokana, ary na ny faritra rehetra mihitsy aza, dia tokony hipetraka tsara amin’izay ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ity filohan’ny faritra Analamanga ity. Tokony hivoatra be izany ny vondrom-bahoaka isam-paritra itsinjaram-pahefana. Hitondra fanatsarana ny fari-piainan’ny isam-batan’olona izany rehetra izany ary hiteraka fampandrosoana ara-toekarena haingam-pandeha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.