Nitsidika am-pomba fifanajana ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly alatsinainy 29 oktbra maraina ny mpiraki-draharahan’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika, Atoa Stuart Wilson.
Nankasitraka ireo dingana vitan’i Madagasikara tamin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia izy ary ny fanomanana ny fifidianana. Afa-po amin’ny lisi-pifidianana izay efa hitan’ny vondron’ny frankofonia fa mety ihany koa i Etazonia, hoy i Stuart Wilson. Toy izao no nasetriny ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny fangatahan’ny vondrona kandidà hanokatra indray ny lisi-pifidianana : “Izahay dia manaja ny zon'ireo vondrona kandidà hanaitra ny sain’ny filoha amin’izay heveriny ho olana eo amin’ny fizotry ny fifidianana. Noresahako tamin’ny filoha tokoa izany ary nambarany fa vonona izy hihaino ireo fitarainana sy ny soso-kevitra mety haroso. Andraikiny amin’ny maha filoha azy rahateo izany. Mihevitra izahay fa mahafa-po ny lisi-pifidianana ankehitriny, izay efa nankatoavin’ny Vondron’ny firenena mampiasa ny teny frantsay, ary tokony hohajaina ny datim-pifidianana araka ny efa voafaritra hatrany am-piandohana. Heverinay fa mivaona amin’ny lalàmpanorenana indray ny fanokafana io lisi-pifidianana io sy ny fanemorana mety haterak’izany.”Mazava ny resaka eto fa tahaka ireo firenen-dehibe sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa dia mandrisika mafy ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 7 novambra ny Amerikanina ary tsy mankasitraka ny paipaika etsy sy eroa hanemorana io daty io na sanatria handravana ny rafitra efa misy ka hananganana tetezamita indray.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.