Handefa mpanara-maso eto Madagasikara mandritra ny fifidianana ben’ny tanàna ny fanjakana amerikanina. Io no nambaran’Atoa Robert yamate, masoivoho amerikanina eto amintsika nandritra ny fitsidihany ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny alarobia lasa teo
. Mitovy fijery amin’ny fanjakana malagasy ny governemanta amerikanina, hoy ity masoivoho ity ary manohana ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny fametrahana ny andrim-panjakana rehetra. Nanditra io fotoana io ihany koa no niresahan’ny roa tonta ny fampivelarana ny ambaindain’ny fiaraha-miasa ka ankoatra ny vola 1,5 tapitrisa dolara amerikanina entina hanampiana ny famonoana ny valala dia nambaran’ny praiminisitra ihany koa fa mahatratra 75 tapitrisa dolara amerikanina no totalin’ny fanampiana omen’ny fanjakana amerikanina ka voakasik’izany ny fikojakojana ny tontolo iainana izay nanokanana 2,5 tapitrisa dolara amerikanina. Mbola tarehim-bola mitovy amin’izay ihany koa no hatokana amin’ny fanentanana amin’ny fahadiovana eny ambanivohitra. Ny ambin’ny vola kosa dia hatontona manontolo amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fahasalamana. Mba ho fanatsarana ny tontolon’ny fampidiran-ketra dia fantatra ihany koa fa misy tetikasa izay iarahan’ny fanjakana amerikanina amin’ny fanofanana ireo mpiasan’ny hetra ka manampahaizana frantsay no hampiofana amin’izany amin’ny taona 2016.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.