Iray amin’ireo olona 7 notorian’ny fiadidian’ny primatiora i Fanirisoa Ernaivo, izay nambara fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena. Namaly bontana izany izy omaly hoe :
“Atoa Praiminisitra, hadisoana goavana ho anao ny fiandanianao amin’ny kandida iray ka tokony hesorina ianao. Zon’ny olombelona ny manao hetsika am-pilaminana. Sa efa adinonao sahady io hatramin’ny nialanao tao amin’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT ? Praiminisitra tsy mahavita ny andraikitra (incompetent) ianao matoa tsy lavorary ny fifidianana niandraiketanao ka feno hosoka, ary ny loza dia ianao noheverina ho tsy mitanila sy manampahaizana no lasa miandany mihitsy, hoy hatrany i Fanirisoa Ernaivo. Hosamborina daholo izahay fito satria hita taratra ny fahalemenao manoloana ny fampibaribariana ny marina sy ny hosoka nataon’ny kandidanao, hoy hatrany izy nanamafy ny fisian’ny fiandaniana. Tsara ny mampahatsiahy sy mamerina fa raha tsy nisy ny tolon’ny 13 mey notarihin-dry depiote Hanitra Razafimanantsoa nanomboka ny 21 aprily 2018, ka naharava ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier tamin’izany tsy lasa praiminisitra velively Atoa Ntsay Christian, izay voatendry ho fanajana ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Ny vondrona politika manana solombavambahoaka betsaka no manendry ny praiminisitra, ka dia izy no natolotr’i Andry Rajoelina tamin’ny anaran’ny MAPAR. Notsiahivin’ny depiote Voahangy Raharimanarivo omaly, fa tsy tonga teo io Praiminisitra io raha tsy ny tolom-bahoaka, saingy mitsipa-doha amin’izao. Ampahany amin’ny teboka lehibe nankinina amin’ny praiminisitra fony izy nandray ny fahefana ny fametrahana filaminana sy fitoniana, indrindra ny fifidianana madio kanefa tsy izay no niseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.