Politique

Fanirisoa Ernaivo Namaky ady tamin’ny mpitandro filaminana


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Lasa resabe ny fanambaran’ny kandida Fanirisoa Ernaivo teny Mahamasina omaly, izay naneho ny hatezerany noho ny fahitana ireo mpitandro ny filaminana marobe nanemitra ny famoriam-bahoaka nataon’ireo kandida mitaky ny fanokafana lisi-pifidianana.Henjana dia henjana ny lahateniny, hoy indrindra izy : inona no mahatonga ny miaramila zato arivo haverina eto ?

 

 

 

 Satria tsy misy dahalo intsony any ambadika any ? Satria tsy misy mpandroba intsony any ambadika any ? Maninona any amin’ny famoriam-bahoakan’ny laharana faha-13 no tsy misy an’izao ? Ekeko fa tena hoe baiko ny anareo fa mba misaina ihany ! Aiza moa ianareo no tsy hovonoin’ny olona ? Saika nalahelo ihany aho nahita ireo polisy nototain’ny olona vato malao. Mampite hiteny hoe tsara ho azy izay. Tena marina ary mbola hahazo anareo rehetra izany. Hozoniko mihitsy, hoy ity kandida ity. Tena nalahelo aho nahita ireo polisy telolahy nozeran’ny olona vato. Fa inona no mahatonga izany ? Izao ataonareo izao. Mampatezitra olona ny zavatra ataon’ny miaramila, ny polisy, ny zandary. Rehefa tsy faly tongava eto, dia sambory aho fa mbola ho hitanareo izany, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Mbola 3 iny no tratra fa raha tratran’ny olona ianareo na ny fatinareo halevina aza tsy ho hita, hoy izy. Izaho tsy te hahalala an’izany fa sambory aho raha mahasahy. Tsy azo hasiana vehivavy eny Tsiafahy, hoy izy, manoloana ny fanambaran’ny Prefen’Antananarivo hoe raha mihoa-pefy dia halefa eny. Tsy ny Prefe no mandefa eny Tsiafahy fa ny “procureur”, ka diso izy ary misandoka andraikitra raha handefa eny Tsiafahy, hoy ity kandida ity. Aoka ho fantatrareo fa ny fampanoavana no manao an’izany. Tsy misy vehivavy azo halefa eny, ary horotahin’ny olona vato malao eo ianareo raha misambotra ireo lehilahy ireo. Misy fahazoan-dalana ity, ary izahay mbola hiverina eto rahampitso, hoy hatrany ity kandida ity.

 

Re araka ny loharanom-baovao iray fa nomena fampitandremana Rtoa Fanirisoa Ernaivo izay mpitsara sady kandida amin’ny fifidianana ho filoha noho iny toe-javatra miendrika fihantsiana iny, raha ny loharanom-baovao azo. Raha mbola misy ny fihoaram-pefy anio, raha araka io loharanom-baovao io, dia hisy avy hatrany ny fisamborana azy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT