Politique

Fanirisoa Ernaivo Efa manomboka asa avy hatrany


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Manamarina ireo ady nataon’ny kandida Fanirisoa Ernaivo ny zava-misy ankehitriny.

 

 

 Raha zary mpitazana ny tolona natrehiny ny maro hatramin’izay dia efa tonga saina satria voaporofo fa mitombina avokoa ireo ahiahy sy tsikera nataony mikasika ny raharaham-pirenena. Efa nambaran’i Fanirisoa Ernaivo ombieny ombieny fa hiteraka olana eto amin’ny firenena ireo dika vilana sy fanitsakitsahan-dalàna. Hireharehany mihitsy fa izy no sahy nijoro tamin’ny fanapahan-kevitry ny HCC manoloana ireo fandikan-dalàna samihafa ataon’ny fitondrana ka nitakiana ny fanonganana ny filoham-pirenena. Seza no notadiavina ka rehefa nahazo seza taorian’ny fandravana governemanta ireo mpanao politika, dia nangina. Vao tsy ela izy no nantsoin’ireo fianakavian’ireo telo mianaka nisy namono tao Imerintsiatosika mba hanampy azy ireo amin’ny fikarohana ny marina, araka ny ambarany. Ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota no tena nahalalana an’i Fanirisoa Ernaivo ka tsy mahagaga raha manomboka manatona azy ny fiarahamonina, hoy izy. Na an-drenivohitra na ambanivohitra dia ahitana izany avokoa ary velon-taraina ny olona sy ny vondron’olona sendra azy. Milaza ho efa manomboka ny asany avy hatrany ity kandida ity amin’ny fandinihina ireo fitarainana ireo. Manantena ny hitondra vokatra tsy araka ny kajikajin’ny mpanao politika ity kandida ity satria mitsikafona avokoa ireo hirifiry napetraky ny fitondrana nifandimby teny anivon’ny fiarahamonina na teo amin’ny fiainan’ny olona andavanandro na teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, raha ny hevitra voiziny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT