Ho faly ny depiote fa hisy amin’izay fampitana mivantana ireo tranga miseho samihafa eto amin'ny firenena, tsy haha tompontrano mihono ny vahoaka malagasy.
Re fa ho vita amin’ity herinandro ity ireo fitaovana simba ao amin’ny TVM tsy nahafahana nandefa mivantana fandaharana maro, voakasik'izany ny fikasan’ny solombavambahoaka tetsy Tsimbazaza. Voakiana ho nanala baraka solombavambahoaka moa ny minisitra sasany ao anaty governemanta Ravelonarivo, ka izay no nangatahan’ireto olom-boafidy ireto ny fihaonana tamin’izy ireo, alefa mivantana amin’ny haino amanjerim-panjakana izany. Niezaka nitondra fanavazana mivantana momba izany ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Andrianjato Vonison sy ireo mpiara-miasa aminy fa misy fahasimbana io fitaovana io, ka izay no tsy nahafahana manao izany. Nisy ny nankasitraka ny minisitra Andrianjato tamin'ny tsy nandefasana mivantana ny adihevitra teny Tsimbazaza iny, saingy nanambara izy fa zon’ny olom-pirenena rehetra ny mahazo vaovao marina, ka tsy tokony hitoetra izany sivana izany, raha toa ka vita ireo fitaovana simba ireo, satria anisan’ny mandala ny fahalalahana ho an’ny rehetra izy. Betsaka kosa anefa no nanambara fa nisakana korontana maro ny fahasimban’io fitaovana tao amin’ny TVM io. Niaraha-nahita rahateo ireo fanehoan-kevitra nentin-kafanam-po, ary mety hiteraka fifandranitana eo amin’ny resaka foko.
Nangonin'i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.