Politique

Fangaraharan’ny voka-pifidianana Tsy nifanaraka amin`ny toky nomena


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra no novoizina fa hotanterahina eto Madagasikara.

 

 

 Nandritra ny fampiofanana rehetra dia tsy nitsahatra nilaza ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa atao mangarahara ny fikarakarana sy ny fikirakirana ny fifidianana 2018 ity. Tsy nisy tsy resy lahatra tamin`ny CENI Madagascar teo am-piandohana ka nanantena ny rehetra fa fifidianana madio, mangarahara, eken`ny rehetra no hitranga. Tonga ny fotoana tsy maintsy hanehoana sy hanambarana ny fiandaniana amin`ny rariny sy ny hitsiny. Toa zary lasa resaka fampandriana adrisa fotsiny ihany anefa izany, raha toa ka tsy manabaribary ny voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato, fa koboniny ho azy samirery ihany. Tsy mitsahatra milaza ny CENI nandritra ny fampiofanana rehetra fa hangarahara ny fifidianana. Samy nanao izay ho afany tamin`ny fanampiana ity rafi-panjakana ity na ireo kandidà izay nanaraka tamin`ny antsakany sy andavany avokoa ireo fepetra no takiana. Mandeha anefa ny raharaha dia tsy araka nieritreretina ny zava-mitranga. Tsikaritra fa toa misy ambadika maizimaizina ny fikirakirana ny voka-pifidianana eo anivon`ny CENI satria tsy mifanaraka tamin`ny zava-nitranga. Nanome toky anefa ny CENI fa omena an`ireo kandidà na solontena ny firaketana an-tsoratra anaty ny solosaina mirakitra ireo vokatra efa azo amin`ny fotoana izay ilain`ny kandidà azo afahana mampitovy ny vokatra saingy hita izany fa mivadika amin`ny teny nomeny izy ireo. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy ireo vokatra isaky ny birao fandatsahambato no hanaovan`ny CENI ny fampitoviana ny vokatra azo eo amin`ny SRMV ka tsy tokony ho sarotra ho an`ny CENI no hanome an`ireo vokatra ireo raha hoe mangarahara. Koa mba hangarahara sy ho eken'ny rehetra izay valim-pifidianana eo, dia takìana mihitsy ny hahitan'ny tompom-pahefana, izany hoe, ny vahoaka mpifidy sy ny olom-pirenena rehetra, ny voka-pifidianana isaky ny biraom-pifidianana, fa zony feno sy tanteraka tsy ilàna fangatahana manokana akory izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT