Politique

Fangaraharan’ny fifidianana Mipetraka ny arofanina, hoy i Rivo Rakotovao


  • Zoma 02 Novambra 2018

Lavitra sy sarotra ny lalana nodiavina, betsaka ny manahirana, tiantsika ho vita izao daholo ary voavaha sy ho tanteraka avokoa ny hetahetan’ny tsirairay.

 

Tafaverina tao anatin’ny ara-dalàna isika ny taona 2013, ary natao ny ezaka rehetra hanarenana ny firenena teo amin’ny lafiny sosialy, ekonomika… Tsy mbola tratra anefa ny tanjona. Tsy afaka hamela ny tanindrazana ho any amin’ny tsy ara-dalàna sy ny tsy ara-drariny ny tenako amin’ny maha Filoham-panjakana ahy, hoy i Rivo Rakotovao. Am-periny mantsy ireo mpilatsaka hofidiana, manatanteraka fampielezan-kevitra manerana ny nosy, saingy mampalahelo anefa fa miara-dalana amin’izany koa ny fambolena korontana maro isan-karazany, toy ny fihantsiana, fanembatsembanana, hetraketraka sy fifanandrinana, eny, hatramin’ny fikasihan-tanana aza. Toa hita taratra ny olona sasany, mitarika ny famakivakiana ny firenena, mitarika adim-poko, mampirisika na mamboly korontana eo amin’ny fiarahamonina (fitsaram-bahoaka, vola sandoka, fiantsiana mpitandro ny filaminana…), hoy izy. Ny lalàna anefa iray ihany ary mihatra amin’ny rehetra, hoy ity filoham-panjakana ity. Manao ny asa nankinin’ny lalàna ny CENI, ny HCC sy ireo izay nomena ny fahefana sy fitokisana ka efa eo am-periny avokoa. Ny fitondram-panjakana dia mitandro hatrany ihany koa ny hisian’ny fitovian-jo sy lenta ho an’ireo kandidà 36 mandray anjara amin’ny fifaninanana masina tsy misy tombo sy hala ary malalaka, hoy izy, ny fanehoan-kevitra, rehefa atao ao anatin’ny ara-dalàna sy ny fifanajana. Hita ihany koa ny fanirian’ny vahoaka hisitraka ny zony araka ny tetiandro voafaritra. Tsy lavina fa mety misy ny indrokelin’ny mpandrafitra. Maro amin’izy ireny anefa no mitaky fandaminana lavitr’ezaka, ka izay hevitra hanatsarana ka hanasoa ny Tanindrazana, dia azo raisina hatrany mba hotanterahin’ny mpitantana ny firenena rahampitso, ao anatin’ny teny hierana. Tsy misy akory ny tonga lafatra kanefa tsy azo hodian-tsy hita koa fa maro ny dingana vita ary efa mipetraka ny arofanina rehetra hisian’ny mangarahara, hoy ny ampahan’ny fanambaran’i Rivo Rakotovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT