Politique

Fangaraharan’ny fifidianana Mila ovaina tanteraka ny CENI


  • Zoma 08 Jona 2018

Rava noho ny kolikoly avo lenta sy ny fitiavan-tena be loatra vokatry ny fampidirana ny lalàm-pifidianana hanakanana ny mpifidy sy ny kandida hifaninana aminy tsy hirotsaka.

 Mbola te hamerina ny fampandaniana an-dRajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny hala-bato niaraka tamin’ny CENIT tamin’ny taona 2013, hoy ny fanehoan-kevitry ny Mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita teo aloha Sahazalahy Tsianihy, sady mpandrindram-paritry ny antoko TIM any Atsimo Andrefana. Tokony horavana tsy misy hatak’andro tsy misy indrafo ny CENI niaraka tamin’ny governemanta teo aloha fa mety hanelingelina ny fahamarinan’ny fifidianana hatao, hoy izy. Mila fifidianana madio ny vahoaka Malagasy, ka izay no antony nanaovana ny fanovana notarihin’ny depiote 73. Mila ovaina tanteraka ny CENI vaovao mba hisian’ny fifampatokisana satria efa niaraha-nahita ny lesoka isan-karazany. Isan’ny lesoka efa hita teto, ohatra, ny resaka fampifidianana tamin’ny kara-pokontany, izay mbola ao anatin’ny CENI ankehitriny ny olona nanao izany. Fanovana nanomboka tany amin’ny filoha no notakiana, saingy fandravana governemanta no didin’ny HCC. Tsy ratsy ilay izy fa tsy ampy satria ny fitondran-dRajaonarimampianina no fototry ny goragora sy kolikoly avo lenta, ny tsy fandriampahalemana,… Latsaka an-katerena ny firenena, ka aoka tsy hilefitra amin’ny fanovana izay natombony ny depiote 73, ka hanara-maso ny asan’ny governemanta ho avy eo, hoy hatrany ity.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT