Hisaorana an’Andriamanitra ny nirotsahan’i Dada Marc Ravalomanana ho anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana amin’ny 7 novambra izao,
hoy ny mpandinika raharaha politika Malagasy Faneva Raholdina, mba hamerina an’ilay fampandrosoan haingana niainan’ny Malagasy tamin’ny 2003-2009 ka nanala antsika tamin’ny fahantrana. Heveriko fa ho kandidà ho an’ny fanarenam-pirenena izy satria izy hatrany no manarina ny toekarem-pirenena Malagasy isaky ny misy fidinan’izany isaky ny 10 taona.
10 taona teo ho eo tokoa mantsy 1991-2001no potika ny toekarem-pirenena Malagasy vokatry ny krizy ara-politika nisy teto amintsika nefa tsy voaarin’ny Pr Zafy Albert ny nampiakatra ny fiharian-karena ka nanamora ny fiverenan’ny Amiraly teo amin’ny fitondrana indray ka vao mainka niharatsy ihany ny toekarena ary nahantra ny vahoaka Malagasy na dia novoizina aza ny fanantenana vaovao. Nony nandray fitondrana i Dada Marc Ravalomanana nandroso ny “minoa fotsiny ihany” nifototra tamin’ny fahamarinana sy fahamasinana dia tonga ilay fampandrosoana haingana niatomboka tamin’ny fanaovana fotodrafitrasa maro ka nampiakatra ny toekarem-pirenena Malagasy indray. Saingy indrisy, rehefa tonga ny 2009 dia nisy nandefa tany anaty dobon-drano indray ny Malagasy ka voatery niditra tamin’ny tetezamita ka nihena indray ny fitombon’ny fiharian-karena. Noheverin’ny Malagasy fa hanala azy amin’ny fahasahiranana ny fitondrana HVM rehefa tapitra ny tetezamita kanjo tahaka ny boka mialo-poza ka nanosika azy hiverina niha nahantra indray, dia niverina ilay krizy 10 taona nanaraka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.