Politique

Faneva Raholdina “Antoky ny fitoniana ny fampihavanam-pirenena”


  • Talata 20 Janoary 2015

Ny fampihavanam-pirenena tena izy sy ny fahazoan’ny HVM maro an’isa eny Tsimbazaza no antoky ny fisian’ny fitoniana na “stabilité politique” eto amintsika, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandinika raharaha politika Malagasy. Tena resaka iankinan’ny ara-toekarena ihany koa ny

fampihavanam-pirenena, hoy izy, fa tsy hoe atao noho isika tia fihavanana fotsiny izao. Tokony ho hita tandindona, hoy izy, ilay fihavanana aorian’ny fanatanterahana an’izay fampihavanam-pirenena izay ka iray amin’izany ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona, ny fahafahan’i Marc Ravalomanana maneho hevitra ara-politika na “liberté d’expression” izay fototry ny demokrasia. Izay moa no baikon’ireo mpamatsy vola any ivelany hahazoan’izy ireo mampiasa vola tsy amin’ahiahy eto amintsika. Fa raha tsy mahazo miteny Atoa Marc Ravalomanana dia mety hahatonga ny Tim sasany hilaza hoe “Je suis Marc Ravalomanana”mira lenta amin’ilay hoe “Je suis Charlie”. Mino anefa isika, hoy Atoa Faneva Raholdina, fa filoha hendry ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina ka ho hitany ny amahana izany olana izany. Faharoa dia tokony hanana depiote maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny HVM tahaka ny fahita maneran-tany fa izany no nahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana nandeha haingana tamin’ny resaka fampandrosoana an’i Madagasikara. Fehiny, mila mijery malaky ny amin’ny izay resaka depiote ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka hikarakara fifidianana malaky indray. Izany rehetra izany no tanteraka dia hisy ny fitoniana ara-politika eto ka handroso amin’izay i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT