Politique

Fanesorana ny lehiben’ny Faritra Boeny Tsy eken’ireo fikambanan’ny tanora ao Mahajanga


  • Talata 03 Martsa 2015

Niteraka fahatezerana tamin’ireo fikambana maro samihafa tao Mahajanga ny resaka miely fa mety hoesorina eo amin’ny toerany ny lehiben’ny faritra Boeny Said Ahmad Jaffar. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo

 

 fikambanan’ny tanora ireo dia tsy fantatra mazava izay tena antony hanesorana ity tompon’andraikitra voalohany ao Boeny ity fa ny hany mazava fotsiny dia misy ambadika politika ny raharaha fanesorana azy io. Hiteraka fikorontanana ao an-toerana ity resaka mandalo ity raha tena mihatra tokoa  hoy hatrany ireto tanora ireto satria dia matetika rehefa zanak’i Mahajanga no mandray ny fitantanana ny firenena dia misy mamingana hatrany. Raha tsiahivina dia isan’ireo mpitondra fanjakana izay nampandroso ny faritra Boeny i Said Ahmad nandritra ny fitantanany ny tanàna tao anatin’ny heritaona, porofo izany ny fanatsarana ny tanàna sy ny ezaka famahana ny olan’ny oniversite Mahajanga ary ny tena zava-dehibe dia ny famerenenana ny toe-karen’ ny faritra izay hita fa nikoroso fahana izany tao anatin’ny taona maro. Tsy ireo tanora ao Mahajanga ihany anefa no mitsipaka io fanapahan-kevitra io fa ny ankamaroan’ireo vahoaka ao an-toerana koa dia manda mafy izany fanesorana an’i Said Ahmad Jaffar izany. Ho hita eo ny tohiny ny tantara.

 


                                                                                                                                    Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT