Politique

Fanesorana ny filoham-pirenena Andrasana ato anatin’ny 2 andro ny valitenin’ny HCC


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Azo ekena ny taratasin`ny depiote 73 izay mitory ny filoham-pirenena amin`ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana lavareny eto amin`ny firenena, hoy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).

 

 Miandry ny fiarovantenan`ny filoha Hery Rajaonarimampianina sisa izy ireo mba ahafahan`ireo mpitsara mamoaka ny valin`ny fitoriana farany izay haingana; tsy mbola nanambara hatry ny omaly ny HCC hoe voaray io fiarovantenan’ny filoha io.  Amin`ny maha fitoriana azy, manana zo feno ny avy amin`ny an-daniny miaro tena ary fehezin`ny lalàna ny fotoana ametrahana izany. Ny alatsinainy atoandro teo, raha araka ny tsiliantsofina re no  nampahafantarin`ny HCC an`ny filoham-pirenena fa misy ny fitoriana azy. Efa mitomboka tamin’ny fotoana nanaovana izany ilay 72 ora izay fetra farany ananan`ny filoha Rajaonarimampianina ahafahana mametraka ny fiarovana izay feran`ny lalàna, hatramin’ny rahampitso zoma . Raha tsy mametraka izy tao anatin`ny 72ora dia afaka mitsara ny HCC,izay voafetra ny fotoana hamaliana an`ilay fitoriana satria fehezin`ny lalàna izy ireo, heverina noho izany fa mety ny zoma n any sabotsy izao no hamoaka didy ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Afaka mamaly ihany koa anefa izy ireo hoe hahemotra amin`ny fotoana manaraka ny famoahana ny didy ary manome fanazavana ny antony mahatonga izany. Mitodika amin`ny HCC, araka izany, ny vahoaka Malagasy mba hampanjaka ny marina sy ny rariny. Marihina fa matoa mitombina ny fitoriana dia mipetraka daholo ny porofo rehetra saingy ny fitsarana ihany no afaka manome valin-teny farany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT