Nifarana teo indray aloha ny fankalazan’ny rehetra ny fetin’ny Paska. Nifarana ho azy koa ny fitsaharana politika teto amin’ny firenena. Rafitra indray ny kajikajy sy disadisam-polika isan-karazany, efa manontanona rahateo ny fifidianana eny ifotony.
Ho an’ny vondrona Mapar izao dia ilay resaka “fanesorana” solombavambahoaka sasantsasany ambara fa andiany voalohany tamin’ireo lazaina fa nivadi-pitokisana tamin’ny maro no mbola mibahan-toerana indrindra ary miandry fatratra izay hambaran’ny HCC nandefasan’ny tariky ny depiote Razanamahasoa Christine fitarainana ireo depiote 7 voakasik’izany voalohany. Nivoaka tamin’ny fahanginany amin’ity raharaha ity ny depiote voafidy tany Vondrozo, Randrianasolo Volatiana Pauline. Mahagaga azy ny filazana amin’ity resaka ity fa mpamadika ry zareo hoesorina amin’ny toerany ireto. Ny vondrona eny Ambodivona, hoy izy, dia tsy mbola nanambara ofisialy fa ho mpanohitra ny fitondrana ry zareo. Mazava, hoy ity solombavambahoaka ity fa samy mbola manohana ny fitondrana mijoro izany izahay. Ka iza izany no tena mpamadika eto, izahay mbola mitana ny velirano nifaovana tany am-boalohany fa hanohana hatramin’ny farany an’Atoa Hery Rajaonarimampianina izay lasa filoham-pirenena ankehitriny sa ry zareo mitady hanongana azy nefa vao herintaona monja no nitondrany teo ? Ho an’izao firenena vao avy nandalo krizy lavabe izao, raha toa hitan-dry zareo fa misy tsy mety ataon’ny mpitondra fanjakana tsy tokony ho izy ireo mihitsy ary ve no hanampy fa olona notohanany hatrany am-boalohany io ? Mbola naverin’ity solombavambahoaka voafidy tany Vondrozo ity fa ny tombontsoam-pirenena no tokony hojeren’ny rehetra fa efa tena sahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.