Politique

Fanesorana an’i Robimanana Orlando Tsy mankasitraka i Frantsa


  • Zoma 13 Martsa 2015

Tsy niandry ela ny valin-kafatra ! 24 ora taorian’ny fanalana an’Atoa Robimanana Orlando, tale jeneralin’ny fitantanam-bolam-panjakana dia naneho ny ahiahiny sy ny tsy fankasitrahany izany Atoa François Goldblatt, masoivohon’i

 


 

        Frantsa eto Madagasikara. Nanambara izy fa tena fambara ratsy ho an’ny mpamatsy vola ny amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa any aoriana izao fanapahan-kevitry ny fanjakana izao. Raisin’ity diplomaty frantsay ity ho fanaovana tsinontsinona ny antson’ny mpamatsy vola ny amin’ny hampiharana ny atao hoe fanjakana tsara tantana eto Madagasikara ny fanalana an’ity tompon’andraikitra ambony tena fantatra teo amin’ny fahaizany mitantana ity. Dia tokony hahagaga ve raha toa ka tsy misy manohina firy ny antso vonjy miantefa any amin’ireo firenen-dehibe noho ny voina mahazo antsika amin’izao fomba atao izao ?

 

 

Légende:Atoa François Goldblatt, masoivohon’i Frantsa eto amintsika

 

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT