Politique

Fanesorana an-daharana kandidà Tena ho sahy ve ny HCC ?


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Ny lalàna dia mamaritra fa mandritra ny fe-potoan’ny fifidianana, ka tafiditra amin`izany ny fampielezan-kevitra, dia

tsy azon`ny olon-tsotra na kandidà atao ny mitsipaka na manaratsy ireo sampan’asa misahana ny raharaham-pifidianana sy ny zotram-pifidianana. Tato ho ato dia sesilany ny fanakianana nataon`ireo kandidà 26 momba ny raharaham-pifidianana, indrindra ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ho sahy handray ny fepetra mahakasika izany ve ny HCC ? Ny olana mipetraka, raha handray fepetra ny HCC mahakasika ireo kandidà 26 ka hanilika azy ireo dia azo antoka fa ho avy indray ny fifandirana politika izay mety hiteraka krizy eto amin`ny firenena. Faharoa, tsy mazava tsara ny lalàna  satria matetika ny fitoriana mahakasika ny fifidianana dia azo raisina manomboka amin’ny fahataperan`ny fifidianana. Eo no manomboka ny atao hoe ”contentieux electoraux” ka ady heloka tsotra no hanenjehana ilay olona amin`ny tsikera ka fanenjehana any amin`ny fampanoavana izany no atao. Ny fitsoahana an-daharana kosa, any amin`ny fotoana ahafahana mitory ka izay no mahatonga ny tsy hanehoana fitoriana mahakasika ny fifidianana ankoatra ny fitoriana ny lisi-pifidianana, izay tsy tafidirtra ao anatin`ny raharaham-pifidianana satria manomboka ny fametrahana firotsahan-kofidiana sy ny fampielezan-kevitra ary ny fifidianana. Araka izany, misokatra ny fitoriana aorian`ny andro voalohan’ny fifidianana  satria mbola hamarinina ilay olona raha nifidy tokoa. Eo no manomboka ny fahefan`ny HCC fa ny fikirakirana ny lisi-pifidianana dia andraikiny. Amin`ny volana mey vao afaka mitaky izany any ireo olona nitory satria tsy tafiditra ao anatin`ny raharaham-pifidianana. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana satria hentitra ny fanambarana nataon`ny filohan`ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa nandritra ny fampahafantarana ny fepetra takiana amin`izay kandida ho filohan`ny Repoblika ny volana jolay lasa teo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT