“Zotram-pifidianana mirindra sy milamina: inona no andraikitra?” izay no fanontaniana sady ventin-kevitra nitondrana ny fampihaonana ireo solontenan’ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana eto amin’ny firenena izay hanomboka ny 7 novambra natao tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly.
Nanamarika moa ny mpikarakara fa miparitaka isaky ny faritra ity hetsika ity fa tsy tetsy Faravohitra ihany akory. Na kandida na mpanao gazety na olon-tsotra sy izay rehetra tokony hanana handraikitra hahatongavana amin’izay hoe fizoran’ny fifidianana mba hirindra sy hilamina izay dia nifampizara ny ahiahiny sy ny vahaolana avy aminy avy avokoa omaly. Ireo indray avy eo hifampizara izany any anatin’ny fiarahamonina misy azy rehetra any, raha ny fanamarihana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.