Raharaha iray tena nahasarika olona tokoa ny Fitsarana fifidianana Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Porofon’izany ireo olona marobe tonga teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fianjakana omaly.
Mihevitra moa ny ampahany betsaka fa tsy nampiova firy ny voka-pifidianana ny fisian’ny soratra «NENY» tamin’ny biletà tokana, fa resaka fankahalana tarazon’ny tamin’ny 2009 no betsaka. Naharitra ora 3 mahery ny fandraisam-pitenenana nifamalian’ny mpisolovava avy amin’ny fikambanana «Freedom» mpitory, an-daniny sy ny mpiaro ny antoko Tiako I Madagasikara an-kilany teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Anosy. Niadian-kevitra voalohany tamin’izany ny fisian’ny soratra «NENY» tamin’ny biletà tokan’ny TIM tamin’ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015. Nijanona tamin’ny fihainoana ny fanazavana fandresen-dahatra avy amin’ ny roa tonta fotsiny moa ny filohan’ny Fitsarana miaraka amin’ny ekipany. Hiroso amin’ny fandinihana izany kosa izy ireo hatramin’ny alakamisy 17 septambra hisian’ny didim-pitsarana mialoha ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy ny zoma 18 septambra 2015. Naneho hevitra fohy tamin’ny mpanao gazety moa ireo mpisolovava isanisany taorian’ny fitsarana. Hoy indrindra izy ireo :
Maître Andrianasolo Iandry Fiankinana, mpisolovava avy amin’ny Freedom : «Nisy tsy fanarahan-dalàna satria ny antoko Tiako I Madagasikara no nametraka ny soratra «NENY» tao anatin’ny biletà tokana. Tsy manana ahiahy amin’ny CENI-T sy ny OVEC intsony izahay. Resy lahatra izahay fa nisy akony lehibe tamin’ny vokatra ny fisian’io soratra io».
Maître Hasina Andriamadison, mpisolovava ny antoko TIM : «Tsy mitombina ny fitoriana fandikan-dalàna. Tsy nisy fanamarihana mihitsy mantsy na fandavana ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana rehetra rehefa nandalo teo anivon’ny OVEC sy ny CENI-T. Tsy misy diso ary tsy ao anatin’ny lalàna velively ihany koa ny fampiharana ny fahadisoana».
Mbola hifanatrika amin’ireo fitoriana hafa napetraky ny fikambanana Freedom toy ny fanafoanana ampahany na manontolo ny vaton’ny antoko tarihan’i Neny amin’ireo birao fandatsahambato na koa ny fanatsoahana an-daharana ny lisitr’ireo kandida Tiako I Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra moa ny roa tonta rahampitso alarobia sy alakamisy izao, araka ny fandaharam-potoana napetraky ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eny Anosy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.