Politique

Fanendrena ny praiminisitra vaovao Miandrandra miaramila vonon-kiady amin’ny fahantrana i Toamasina


  • Zoma 16 Janoary 2015

Samy manana ny heviny ny rehetra mikasika ny fanendren’ny filoham-pirenena ny Jly Ravelonarivo Jean ho praiminisitra, izay miaramila amin’ny tafika an-dranomasina sy ana habakabaka malagasy. Ho an’ireo olona izay nanontaniana tao Toamasina dia ny hevitra itoviana dia ny hoe “tena jeneraly miaramila vonon-kiady handresy ny fahantrana eto amintsika marina ity vao notendrena ity

ary miaramila ny tafika vonona ny hitam-basin’ny finiavana sy fahavononana marina hanosika ny fahavalom-pampandrosoana eto amin’ny firenena”. Na teo anefa ireo hevitra nitoviana ireo dia ilay safidy ny praiminisitra miaramila no tena nahagaga ny maro, nisy ny nilaza fa tsy mahatoky tena intsony ny fitondrana Rajaonarimampianina ka mila tafika hiaro azy amin’ny fahefany ; ao kosa ireo nilaza fa efa tsy mahatoky ny sivily intsony ny tandapa ka miantso tafika hanamafisam-pitondrana ; ao ary ireo tena tonga dia nahitsy fiteny ka nilaza fa te hametraka fanjakana herim-pamoretana ny fitondrana mba hanginan’ireo mpanohitra sy ireo te hanohitra azy. Ankoatra izay, betsaka koa ireo miandrandra fa mba hanova zavatra haingana ity praiminisitra vaovao ity. Miankina amin’ny fandrafetany ny governemantany anefa ny fahombiazany, amin’ny fametrahana mpanao politika na teknisianina, sy vonona ny hiasa avy hatrany ka mahalala tsara an’i Madagasikara sy ny tontolony, ary governemantan’ny fisokafana sy fampihavanana araka ny fanamby apetraky ny filoham-pirenena hisian’ny fitoniam-pitondrana. Araka ny angom-baovao dia ny fiandohan’io herinandro vaovao io, ny alatsinainy na ny talata izao, no hivoaka ny firafitry ny governemanta vaovao ny Jly Ravelonarivo Jean, izay efa nanomboka omaly ny fijerena azy ireo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT