Politique

Fanendrena lehiben’ny faritra Miala any ny resaka « SILAC-BOY »


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Nodradradradraina foana ny hoe “fanovana”teny filamatr’izao fitondrana izao. Tsy niherina akory anefa ny taona dia miala any indray ny kiantranoantrano sy fanendrena ireo akama amina toerana ambony

Re izao fa mety hampiharina indray ato ho ato ny fanendrena SILACBOY  na ny SILACOISATION. Ny SILAC dia orinasa niorina sy niasa tany amin’iny faritr’Alaotra iny. Tao no niasan’ny   tompon’andraikitra ambony iray amin’izao fitondram-panjakana  izao. Mandeha ny ritsoka ankehitriny fa toa mikenonkenona fanendrena lehiben’ny faritra indray ny fitondrana ka amin’ny maha lehiben’antoko azy sy amin’ny maha mpiasa azy fahiny  tany amin’iny faritra iny dia heverin’ity olom-panjakana ambony iray  ity fa anjarany no manendry izay olom-panjakana ambony hiasa any an-toerana, voalohany amin’izany ny lehiben’ny faritra. Ary ny  ambiny manaraka eny ihany toy ny DREN, chef Cisco, Médecin inspecteur…Tsy misy fifampiresahana na fifampidinihana teo amin’ireo olom-boafidy avy any amin’ny faritra na fakan-kevitra ifotony fa tahaka ny teny midina fotsiny ny raharaha. Mandeha ny feo fa mpiasa amina  banky  iray izay olona efa niara-niasa taminy tao amin’ny SILAC taloha ihany no heveriny hapetraka  ho Lehiben’ny faritr’Alaotra Mangoro. Maro anefa ny milaza fa tsy tian’ny olona any an-toerana satria tsy mahalala akory ny tena fandehan’ny toe-draharaha sy fiaimpiainan’ny faritra ity kandidam-panjakana kasaina hotendrena filohan’ny faritra ity. Andrasana izay ho tohin’ny tantara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT