Politique

Fanendrena kandida ben’ny tanŕna Manana olana ny TIM eny Ampitatafika


  • Alarobia 06 Mey 2015

Misy olana ny fisafidianana izay ho kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara eny Ampitatafika satria dia milaza ho tsy manaiky ny fanendrena an’i Rado Ramparaoelina ho kandida ben’ny tanŕna ireo mpikambana ifotony araka ny

 
nambaran’ny solontenan’izy ireo omaly. Hafa ny olona nofidian’ny « base », hoy izy ireo fa tsy io kandida notendrena io. Efa nifanarahana anefa hoy hatrany ireto mpikambana TIM eny Ampitatafika ireto fa tsy hisy ny teny midina fa ny mpikambana eny ifotony no hisafidy izay olona hita fa mahavita azy sy azo itokisana. Efa nitranga koa ity olana ity teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ary mandeha ny feo fa mety hiteraka fifandirana ihany koa ny eny Antananarivo Atsimondrano. Mipetraka ny fanontaniana eto hoe :fa inona marina no nitranga ? Tsy nazava ve ny fifandaminana sa nisy resaka nifandiso ? Ny mpikambana ifotony dia mihevitra matetika fa ireo nitolona no tokony ho kandida, tahaka izay koa ve no mety hevitry ny birao politikan’ny TIM sy ny filoha mpanorina ? Tsy misy moa ny hoe olona hitovy hevitra 100% izany, fa ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra foana no ahitana ny vahaolana. Mampanahy ireo mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity olana amin’ny fisafidianana sy fanendrena ny kandidan’ny TIM ity satria raha tsy voalamina dia mety tena hitarika fivakisana eo amin’ity antoko ity ka hisy akony ratsy amin’ny ho avy politikan’Atoa Ravalomanana, izay miezaka mampihavana ny rehetra ary efa nilaza fa miasa miaraka no fahombiazana ary tsy tokony hisy ny fanilikilihana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT