Politique

Fanemorana sy fanafoanana fifidianana Tena famerezan-jo, hoy ny antoko ABA


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Ankoatra ny fisaorany ny vahoaka malagasy izay nahefa ny adidiny sy ny fitondram-panjakana namela ny fanatontosana ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia nisaotra ihany koa ny avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na

 

 

CENI ny avy eo anivon’ny antokom-bahoaka malagasy na ABA tody soa tamin’iny famoahana ny valim-pifidianana tsy ofisialy iny. Nanao izay ho afany ny CENI, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Dany Rakotoson. Ny hosoka misy foana na any amin’ny firenena matanjaka aza saingy andraikitry ny tompon’andraikitra ny manadihady. Vita iny ny fifidianana. Nisy kandida naneho ny tetikasany. Nisy kosa kandida lany andro tamin’ny fitakiana fanemorana sy fanafoanana fifidianana. Amiko,  famerezan-jo vahoaka izany. Soa fa tsy tonga tamin’ny fanakorontanana ireo 25 mianadahy. Matoa ireo kandida hanao fihodinana faharoa nahazo vato be indrindra dia fantatry ny vahoaka fa ireo no mahavita. Efa samy nitondra ireo ka anjaran’ny vahoaka no mijery izay mety aminy kokoa. Ny iangaviako, hoy ity mpanao politika ity, dia mba hanaiky resy izay resy ary tsy hakoraina. Tsy hobiana koa anefa izay mandresy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT