Ankoatra ny fisaorany ny vahoaka malagasy izay nahefa ny adidiny sy ny fitondram-panjakana namela ny fanatontosana ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia nisaotra ihany koa ny avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI
ny avy eo anivon’ny antokom-bahoaka malagasy na ABA tody soa tamin’iny famoahana ny valim-pifidianana tsy ofisialy iny. Nanao izay ho afany ny CENI, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Dany Rakotoson. Ny hosoka misy foana na any amin’ny firenena matanjaka aza saingy andraikitry ny tompon’andraikitra ny manadihady. Vita iny ny fifidianana. Nisy kandida naneho ny tetikasany. Nisy kosa kandida lany andro tamin’ny fitakiana fanemorana sy fanafoanana fifidianana. Amiko, famerezan-jo vahoaka izany. Soa fa tsy tonga tamin’ny fanakorontanana ireo 25 mianadahy. Matoa ireo kandida hanao fihodinana faharoa nahazo vato be indrindra dia fantatry ny vahoaka fa ireo no mahavita. Efa samy nitondra ireo ka anjaran’ny vahoaka no mijery izay mety aminy kokoa. Ny iangaviako, hoy ity mpanao politika ity, dia mba hanaiky resy izay resy ary tsy hakoraina. Tsy hobiana koa anefa izay mandresy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.