Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’izy nilaza tamin’ny fomba ofisialy amin’ny hilatsahan-kofidiana ho filoha ny 1 aogositra 2018 fa hofoanany ny antenimierandoholona.
Tsy azo atao anefa izany, raha tsy mandalo fitsapan-kevi-bahoaka. Taty aoriana dia toa nivadi-dela indray izy. Tsy afaka miasa ny loholona raha tsy misy ny antenimieram-pirenena fa ny solombavambahoaka kosa afaka miasa raha tsy misy ny antenimierandoholona. Manamora ny fampandaniana ny lalàna samihafa tiany hapetraka ny tsy fisian’io andrim-panjakana io, ka tonga dia afaka mandingana any amin’ny filoha izany ny fandinihana sy ny fampananan-kery ny lalàna (par voie d’ordonnance). Nilaza ny CENI fa tsy ho tratra amin’ny 20 martsa ny fifidianana solombavambahoaka. Ny 6 febroary izao anefa ny fahataperan’ny taom-piasana ary hiteraka fahabangana amin’ny andrim-panjakana. Ahiana ho misy ambadika sy kajikajy hafahafa ihany ny tsy firosoana amin’ny fifidianana depiote satria ny tamin’ny 2013 aza dia vita ny nampiaraka izany tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny 20 desambra 2013. Raha ny toe-draharaha amin’izao, dia sarotra ho an’ny MAPAR ny hahazo depiote maro raha halefa ny fifidianana, ary miteraka hambom-po ho an’ny vahoaka, indrindra fa ireo nanohana ny sy ny niara-dia tamin’ny K25 na ireo tsy nifidy nandritra iny fifidianana niteraka adihevitra iny. Ny fahendrena sy ny fandeferan’ny kandida Marc Ravalomanana no nampilamina ny tany sy ny firenena. Efa nalaza ireny ny resaka fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hiezaka hanamafy orina ny fanjakany ny MAPAR, hifehy ny rafitra rehetra izay vao hiroso amin’ny fifidianana, ka any amin’ny volana jona sy jolay any ho any ny fifidianana depiote, raha ny tombana. Ao anatin’ny fotoana fisokafan’ny lisi-pifidianana isika ankehitriny ka entanina ny tsirairay hanara-maso ny anarany sy hanoratra izany raha tsy mbola ao. Hatreto, ny CENI sy ny HCC hatrany no mbola mikarakara ny fifidianana kanefa maro amin’ny olom-pirenena no tsy mahatoky an’ireo intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.