Laharana faha-24 i Senegal ary faha-107 i Madagasikara, araka ny navoakan’ny FIFA tamin’ity taona 2018 ity teo amin’ny baolina kitra.
Niady tsara ihany anefa ny baolina teny Mahamasina ny alahady teo ary hita ho sempotra aza ny Senegaley izay efa mpiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, satria mpilalao 6 no nahazo karatra mavo. Lesona azo tsoahina : tsy voatery hiandry ny fepetra rehetra ho feno vao hanao zavatra fa tsy maintsy miainga amin’izay ananana aloha ka iny no hatsaraina avy eo. Lasa adihevitra be ankehitriny eo amin’ny samy mpanao politika ankehitriny ilay fifidianana hatao amin’ny 7 novambra. Mivoaka ny tohan-kevitra maro samihafa : tsy tomombana ny lisi-pifidianana, misy kandida efa naka tombony, tsy mbola misy fitoniana eto, tokony hiady amin’ny dahalo aloha, sahirana amin’ny fivelomana ny olona ka tsy mivaky loha amin’izay fifidianana … Mazava tsara anefa ny lalan-kizorana fa tsy maintsy hatrehina io mba hahafahana mahazo filoham-pirenena hitantana azy ny Malagasy. Tsy misy afaka miteny ihany koa eto fa feno tsara daholo ny fepetra tamin’ny nanatanterahana fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka natao tany aloha tany. Fa natrehana ihany aloha izy ireny ary na nampifanolana aza dia nahitam-bahaolana hatrany. Raha hiandry ny fahafenoan’ny fepetra sy ny zava-misy tonga lafatra dia tsy hiatrika fifidianana mihitsy. Niaraha-nahita mantsy fa na tany Etazonia aza nampifanolana ny voka-pifidianana farany teo raha nifanandrina i Donald Trump sy Hilary Clinton ary tonga hatrany amin’ny hoe nisy tanan-dry zareo Rosianina mety nanova ny voka-pifidianana, fa lasa filoha ihany ingahy Trump. Tena mbola lavitry ny demokrasia hiainana any Amerika raha i Madagasikara. Tsy izay anefa no atao sakana tsy hirosoana ary eo indrindra no maha zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fanekena hanao ilay fampihavanam-pirenena tena izy. Ny mpanao politika ihany mantsy matetika no loharano ipoiran’ny fomba fijery miteraka fifandirana eny anivon’ny fiarahamonina, fa rehefa mahay mifanaja sy mifandamina ny mpanao politika milamina ho azy ny vahoaka ary mizotra araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy maintsy misy kosa ny fandraisana andraikitra matotra sy hentitra kokoa ataon’ireo manampahefana amin’ny fametrahana ny fitoniana fa tsy hialokaloka foana ao ambadiky ny tsy fahampian’ny hoenti-manana na ny olona fa tsy maintsy mikaroka vahaolana. Mila fitandremana be ny zava-misy amin’izao fotoana eto Madagasikara satria misy ireo mitady « hanangana sekta », araka ny firesaky ny tanora ka mandroso izao tohan-kevitra rehetra izao entina ilazana fa aleo aloha miditra amina tetezamita fa ajanona any mihitsy io fifidianana io. Dia hiandry rahoviana indray ? Iza no afaka hanome antoka fa tena hampilamin-javatra tokoa ny fananganana tetezamita vaovao eto ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.