Nifarana ny dian’Atoa Ramtame Lamamra, iraka manokan’ny vondrona Afrikanina teto Madagasikara izay niara-niasa akaiky tamin’ireo solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Anton-diany moa ny fifampiresahana tamin’ny mpitondra fanjakana sy ny ankolafin-kery politika rehetra mba hikarohana ny vahaolana amin’izao krizy misy eto Madagasikara izao. Anisan’ireo niresaka taminy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo filoha telo mirahalahy teo aloha, dia i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Teo ihany koa ireo filohana andrim-panjakana. Nivoitra tamin’ireo fihaonana rehetra ireo ny hanokafana ny fakan-kevitra avo lenta mba hahafahana miroso amin’ny fandrafetana fifanarahana politika hametrahana ny fitoniana, avy eo hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena araka izay tondroin’ny lalàmpanorenana. Asa izay tsy ho mora raha ny fahitana azy satria samy manana ny fomba fijeriny ireo filoha tsirairay avy, ary mbola resaka hafa ny momba ireo hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana 73 mianadahy izay manizingizina ny fametraham-pialan’ny filohan’ny repoblika sy ireo rafitra rehetra misy mialoha ny hirosoana amin’ny fifampiresahana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.