Politique

Fanelanelana amin’ny krizy Manaboribory resaka i Chissano


  • Zoma 11 Mey 2018

“Tsy marina ny filazana fa ny vondrona iraisam-pirenena no nametraka ny “ni…ni”. Raha te hahafantatra ny marina ianareo momba azy io dia iray tamin`ireo mpandray anjara fototra tamin`izany fotoana no nilaza taminay hoe afaka tsy milatsaka hofidiana aho raha tsy milatsaka hofidiana ny ao an-kilany.

 

 Rehefa nifampiraharaha tamin`ny an-kilany izahay dia nifanaraka ny roa tonta. Noho izany, tsy ny sadc no nametraka ny `”ni…ni” fa ny Malagasy”, hoy Atoa Joaquim Chissano, iraka manokan`ny vondrona SADC manatanteraka iraka eto amintsika. Hihaona amin`ny mpisehatra politika rehetra ity iraka manokan`ny SADC ity na ny mpomba ny fitondrana na ireo mpanohitra hitadiavana vahaolana amin`ny krizy politika. Tsy misy tokony hanilihan`ny mpanohitra azy ihany koa raha ny nambarany. Ny fanatanterahana fifidianana ihany no ahafahana mamaha ny olana eto Madagasikara. Mbola azo vahana tsara ny olana eto raha manaiky ny fifampiresahana ny mpisehatra politika. Nohamafisiny hatrany fa manampy amin`ny fitadiavana vahaolana ny SADC fa tsy mitsabaka amin`ny raharaha anatiny. Miezaka mafy mandamina ingahy Chissano ary tsapa ho manaboribory resaka ihany mba tsy ilazana hoe manamaivana ny zava-misy marina eto. Ny alarobia lasa teo dia nihaona tamin`ireo filohana Andrimpanjakana ny iraisam-pirenena. Efa nialoha lalana ity iraky ny SADC ity ny avy amin`ny Firenena mikambana sy ny Vondrona Afrikanina. Mbola hihaona ihany koa amin`ireo filoha teo aloha, amin`ny CFM ary ny FFKM ny SADC tarihan`Atoa Chissano. Etsy an-daniny anefa, miha mafy ny fitakiana eny amin`ny kianja 13 mey fa tsy vonona hifampiresaka amin`ny mpitondra raha hanelanelana momba izany ny ahatongavan`ireo vahiny eto amintsika ireo ary aleo ihany koa ho raharahan`ny Malagasy izy ity fa tsy itsabahan`ny iraisaim-pirenena, hoy hatrany ireo depiote. Mbola ho sarotra ny fanelanelan`ny vahiny amin`izao fotoana izao.

Nanamafy ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao  fa tsy maintsy misy ny fifidianana amin`ity taona ity ary tsy vahaolana ny fanemorana fifidianana amin`ny taona 2019 raha ny nambarany tamin`ity iraka manokan`ny SADC ity ny alarobia tolakandro lasa teo tetsy amin`ny lapa maitso Anosy.

 


Marigny A.

            

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT