Politique

Fanehoan-kevitra sy famakafakana ara-politika Niditra an-tsehatra ny minisiteran’ny serasera


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Nanao fanambarana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana omaly.

 

 

Fampatsiahivana manoloana ny fiantsiana sy fanalam-baraka ary antso ho amin’ny filaminana no tena hevi-dehibe tao. Nanambara ny governemanta ankehitriny fa izy no miandraikitra ny fanomanana fifidianana ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Araka ny and. 24 izay mamaritra ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino aman-jery dia ny minisiteran’ny serasera ihany no afaka miantoka ny iraka tanterahin’ny « régulation des médias ». Mahatsapa ny governemanta sy ny minisitera fa misy tato ho ato ny haino aman-jery mivoitra manao fihantsiana sy fanalam-baraka ary fikomiana. Araka ny and. 26 dia azon’ny lalàna manan-kery henjehina ireo haino aman-jery manao izay. Araka izany, ny minisitera dia mampatsiahy amin’ny alalan’ny taratasy mba hanajanona izany ary hitandro ihany koa ny filaminam-bahoaka. Raha toa ka tsy hisy vokany izao fahampatsiahivana izao dia hisy fanapahan-kevitra horaisin’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Tsy tokony hisy ny fanavakavahana na tsindry politika sy hevitra amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Tena tsara ny fampanajana ny lalàna saingy ny mampanahy dia sao lahy ka tetika hanagejana ny fahalalahana mampita vaovao ity atao ity. Mety misy mantsy ny tranga na vaovao ambaran’ny mpanao gazety tsy metimety amin’ireo manampahefana sasany ka mety hikarohan’izy ireo hevitra ny fanakanana azy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT