Raha noheverina fa hangina sy hangatsiaka ny tontolom-pifidianana atao amin`ny 7 novambra 2018
ho avy izao nandritra ny herinandro voalohany tamin`ny fametrahana antontan-taratasy filatsahana ho kandidà ho filoham-pirenena dia nifanohitra amin`izay ny zava-nisy ny herinandro farany tetsy HCC Ambohidahy. Noho izany, ho sesilany ihany koa ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa mandritra ny fampielezan-kevitra. Zava-dehibe ny mampahatsiahy fa tany demokratika i Madagasikara, izany hoe malalaka ny fanehoan-kevitra. Sarotra ihany anefa no maneho hevitra eto amintsika, indrindra raha eo amin`ny sehatra politika satria ny vola no hamaritana fa matanjaka ny antoko politika iray na dia tsy misy azo raisina aza ny foto-keviny. Isan-karazany tokoa ny entin`ny kandidà hambaboana ny vahoaka ary samy manana ny fombany. Misy anefa fahatongavan-tsaina amin`ny Malagasy sasany. Tato ho ato, misy amin`ireo kandidà mbola manao ireo karazana sehoseho ary mampiraviravy vola mihitsy kanefa vitsy no mamaly antso. Manomboka mifoha amin`ny torimasony ny Malagasy sasany satria mivoatra ary tsy voavidim-bola sy tapi-maso rehefa tena raikitra ny latsa-bato amin’ny fifidianana. Ilay hita maso anio dia tsy hamaritra ny ampitso ary miandrandra fanantenana mba ho tsara lavitra isika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.