Fotoana vitsy sisa andrasana, ary mila faramparanana ny tolona satria maika hihoby ny fandresena isika, hoy ny fampanantenan’ny depioten’ny fanovana, miantso ny vahoaka tsy ankanavaka hanamafy ny tolona.
Tsy miova ny tanjona, dia ny fialan’ny filoha sy ny ekipany manontolo, ny governemanta ... Hisy zavatra hitranga, hisy zavatra hiseho ka tongava daholo fa izay no andrasantsika, hoy ny depioten’ny fanovana. Hiha mahery vaika hatrany mandra-pirodan’ny fanjakana, hitohy amin’ny fakana ny mpianatry ny anjerimanontolo hiarahana amin’ny sendikan’ny mpampianatra na ny SECES. Amin’ny 8 ora sy sasany ny fotoana ary hihazo an’Analakely avy eo. Miantso ny mpianatra ny depiote. Fiovana no tadiavintsika, fa tsy 4 taona tsy nisy nihaino. Efa maro ireo fitakiana tsy voavaha teny amin’ny anjerimanontolo, ka tsy io minisitra io na ny governemanta na ny fanjakana no hahavaha io olana io, fa mila manova isika, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Ny zoma izao dia hiditra mivantana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM ny solontena vitsivitsin’ny depiote. Ankoatra ny minisitry ny serasera teo aloha Andrianjato Vonison rahateo, dia nisy tamin’ireo mpiasan’ny RNM sy TVM no tonga nanamafy ny tolona teny an-kianja omaly. Ny zoma ho avy izao dia hisy ny “Sit-in” eny amin’ny HCC amin’ny tokony hanaiky araka ny tokony ho izy ny fialan-dRajao sy hanafainganana izany, raha tsy mivoaka alohan’izay izany. Hiankinan-javatra be dia be ny HCC, na io hampilamina na hampikorontana. Raha sanatria ianareo tsy manaraka hetahetam-bahoaka dia tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga. Aza terena izahay hiditra amin’ny lalana ivelan’ny lalàmpanorenana, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Hiditra amin’izay lalana izay ve raha toa ka tsy araka ny heverina ny ambaran’ny HCC ? Manomboka ny ivoahan’ny didim-pitsarana, dia tadidio fa ianareo no tompon’andraikitra voalohany, hoy izy. Manoloana ny resaka vahaolana na zavatra hasosoka any ambadika any, toy ny fizaran-tseza dia azafady, fa ny depioten’ny fiovana tsy mitady seza ohatra anareo, hoy izy. Fanovana fomba fisainana, fanao politika, fitantanana ny firenena,… no tadiavinay fa tsy fizaran-tseza, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Fanovana ny rafitra faratampony noho ny kolikoly mielipatrana any anaty sampandraharaham-panjakana no tanjona. Raha tsy miova ny fitondrana tsy azo atao ny miditra amin’ny fifidianana. Raha mbola io no havela hikarakara ny fifidianana, dia ny omaly tsy miova ary ho very maina fotsiny ny aina nalatsaka.
Tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka eo anatrehan’ny fanelanelanan’ny Iraisam-pirenena. Tsy nisy fiantsoana ny depiote. Nandefa solontena ny filoha teo aloha hoe inona no noresahina ? Nandeha ny tenako sy i Christine Razanahamahasoa, nisolotena ny antokonay fa tsy ny depiote, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny nolazainay dia tsotra hoe ianareo raha hampisaratsaraka anay, dia ho reraka eo ary tsy hahomby, hoy ny fampitam-baovaony. Rehefa tsy antsoina ny depiote aleo tapahina ny resaka, hoy ny hafatra mivaivay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.