Tsy matahotra izay ho fanesorana tsy ho solombavambahoaka nambaran’ireo antokotokom-bondrona politika namory mpanao gazety teny amin’ny Carlton Anosy omaly alarobia izany ny tenako, hoy ny depiote Nicolas lany tany Betroka tamin’ny alalan’ny Mapar izay efa manohana tanteraka ny HVM ankehitriny ary anisan’ireo solombavambahoaka nanatitra lisitra anarana ho praiminisitra teny Ambohitsorohitra ny talata teo.
Vavan’ny maty an-drano ny an’ireo, hoy izy, vavan’ny tsy manana andraikitra eto amin’ny firenena intsony. Anisan’ireo nandoto ny tetezamita ny ankamaroany ary anananay dosie ny aminy, azo avoaka raha ilaina, hoy ity solombavambahoaka ity. Aleo hanao izany hetsika izany izy ireo raha sahy, hoy ny depiote Nicolas, f’izaho moa efa fantany fa tsy olon-dRajoelina izany fa efa manohana tanteraka ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.