Politique

Fandresen’i Dada Fotoana sisa andrasana…


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Ny faritanin’i Fianarantsoa no nanaovan’ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly dia tany Camp Robin, Mahazoarivo, Fandriana, Ambositra, Fianarantsoa Renivohitra,…

 

 

 

 Rakotra vahoaka izay naleha, fa tsy arakaraka ny fanaratsiana iniana ahely, ka fotoana sisa andrasana dia ho azo ny fandresena, hoy ny fietanam-pon’ny olona. Noraisin’ny Monsenera tao Ambositra izy ny maraina. Miandrandra ny hisian’ny fandriampahalemana izy ka mampantena i Marc Ravalomanana fa ho vitany izany. Faly aho tena faly, na mbola rahampitso aza vao hankalaza ny tsingerin-taona nahaterahako dia nanararaotra ny fandalovana eto Ambositra niara-paly tamin'ny Diosezin'Ambositra ary 
mankasitraka S.E.Mgr Fidelis Rakotonarivon, hoy izy manoloana ny fiaraha-mifaly. Nasehon’ny vahoakan’i Fianarantsoa fa tian’izy ireo i Marc Ravalomanana. Nampantena izy fa tsy maintsy vitantsika ny làlana eto Madagasikara. Hotsarain’ny tantara eo ny nanongana sy ny mpanongana ary fantatro fa vahoaka hendry ny Malagasy satria manaja ny demokrasia, hendry satria mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy,… Mitodika amin’ny vahoaka Malagasy rehetra hahay hamantatra tsara izay tokony hataony, mahalala tsara ny fomba maha Malagasy ny Malagasy, mijoro tsara amin’ny fahamarinana,… Navitrika ny rehetra, indrindra fa ny tanora, izay nanao tononkalo mampiala voly sy mitory fahatongavan-tsaina mikasika ireo kandida roa, izay maneho hatrany ny maha mpanangana fa tsy mpandrava ary tena hanasoa ny firenena an’i Dada fa tsy mpampanofy ary isan’ny navoitran’ny tanora tao anatin’izany ny famotehana ny firenena toy ny trafikana harem-pirenena nataon’ny sasany ka tao anatin’ny 5 taona dia lasa mpanefoefo maneran-tany higagana.
“Raha tsy eo ianao i dada, asa izay hanjo anay”, hoy ny vetsovetson’ny tanora. Fantatro ny vetsovetsom-ponareo, hoy i Marc Ravalomanana, izay niresaka zavatra 5: hatao ny fampihavanam-pirenena tena izy hihavanan’ny rehetra rehefa vita ny fihanianana eo anatrehan’ny vahoaka rehefa lany i Dada ary ho lany aho, hoy izy. Tsy maintsy mihavana ny Malagasy ary tsy maintsy miray hina sy miombona isika. Faharoa, hapetraka amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ary efa manana tetikady mazava izy miainga amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy maintsy hampitomboina ny harin-karena mba hampitombo ny vola miditra any am-paosin’ny rehetra satria ny fahantrana no miteraka tsy fandriampahalemana, ka ezahina ny hanangana orinasa sy hamorina asa ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora 300 000 hatramin’ny 400 000 isan-taona mitady asa. Ny vehivavy sy ny tanora, ny renim-pianankaviana, dia hohampiana amin’ny resaka asa tànana. Ho an’ny zaza madinika, dia nohamafisiny ny hizarana “kits scolaires” ho an’ny zanaka Malagasy, ka hampitoviana ny zanaka Malagasy rehetra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT