Ny nilatsahan’ny toromarika no ela dia efa nanomboka ny fitsidihana isam-pokontany sy isan-tokantrano na porte à porte ataon’ireo mpanaradia ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.
Somary niova endrika kely ny propagandy, tsy nifantoka fotsiny amin’ny fihaonambe sy kabary fa niditra lalina kokoa nanatona ny vahoaka mpifidy ka nitsidika ny isan-tokantrano ka niresaka ny Manifesto izay famintinana ny fandaharanasan’ny kandida laharana faha-25. Mahasahana ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny faritra ary ny firenena ity fandaharanasa ity, mifandraika amin’ny zava-misy eto Madagasikara ary manaraka ihany koa ny fivoaran’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Fa ny tena zava-dehibe dia ny fifampiresahana mivantana sy mifanakaiky kokoa, ka eo no afaka manontany na mitondra fanamarihana ny tsirairay. Fifampiresahana no atao fa tsy ilay hoe « kabary tsy valiana », araka ny fomba fiteny. Mijery akaiky izay tena manjo ny vahoaka i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy ka avy amin’izay no hahitana ny fomba hanatanterahana ny asa rahatrizay tonga eo amin’ny fitantanana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.