Politique

Fandravana ny Governemanta Niova fo indray ireo depiote


  • Alarobia 03 Jona 2015

Ny vita aza nanenenana ! Nihemotra amin’ilay resaka fikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo solombavam-bahoaka rehefa mahatsapa fa tsy hahita rirany amin’ny famerezan-jo ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ka hanonganana azy amin’ny asa

 

. Niely moa ny resaka teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo, fa tsy ho tafavoaka ilay fanonganana ny filohan’ny Repoblika. Rehefa izay dia nitsiry tany andohan’ny depiote hafa indray hevitra fa aleo ny governemanta no hanaovana fitsipaham-pitokisana ho rava any. Tao ny nanaiky, saingy betsaka no nitsipaka an’io ary nilaza ho tsy nahafantatra ny fisian’izany akory. Ny efa vita aza nanenenana, hoy ireto farany. Mizarazara ny hevitr’ireo solombavambahoaka. Mifampiampanga mihitsy aza. Zara raha misy ampahatelon’ireo 121 nandany ny “motion de déchéance” ny filohan’ny Repoblika sisa mba tazana mihaodihaody eny Tsimbazaza. Ny hanao izay tsy hisian’ny fitoniana ka hampihemotra ny mpamatsy vola no ataon’ny sasany ka mety tsy hitovy ny tadin-dokanga hoy ireo depiote niova fo. Miparitaka teny Tsimbazaza ny feo, fa ireo tompon’antoka tamin’ny korontana ny taona 2009 indray no ao ambadik’ity fanonganana ny governemanta ity.

Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT