Politique

Fandravana ny birao maharitry ny Antenimiera Tohananay raha misy mitarika, hoy ny Mapar


  • Alarobia 21 Oktobra 2015

Anisan’ny trangan-javatra nahoraka ary tao anatin’ny fanombohan’ny fivoriana ara-potoanan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara teny Tsimbazaza omaly ny resaka mety hisian’ny fandravana na fanonganana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena misy ankehitriny.

  Saika voatonontonona mafy tao anatin’izao raharaha izao ny vondrona parlemantera Mapar izay nandrafitra ny birao talohan’ity misy ity ka voailiky ny tariky ny filoha am-perinasa Jean Max Rakotomamonjy sy ny tariny. Raha nanontaniana ny hevitr’ireo mpikambana maromaro ao anatin’ity vondrona ity dia nilaza fa tsy mahafantatra ilay resaka ary tsy nisy nampahafantatra azy ireo hatreto. Nohamafisin’ny filohan’ity vondrona parlemantera ity, Razafintsiandraofa Brunel anefa fa azo eritreretina ihany ny fanatanterahana azy. Raha misy maro an’isa mitarika ka vonona dia hanampy ny Mapar satria nahita ny tsy fahombiazan’ny birao maharitra koa hatreto amin’ny lafiny rehetra, izahay rahateo tsy misy mpikambana ao,hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT