Anisan’ny mason-tsivana ho an’ny olona mendrika antsoina hoe filoham-pirenena, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, José Andrianoelison na José kely,
ny fahaizany mikarakara ny vahoakany sy ny fahaizany ny tantarany. Aza fitahana ny vahoaka, hoy izy. Misy amin’ireo kandida amin’izao ny milaza fa hofoanany ny antenimierandoholona raha vao tonga eo amin’ny toerana maha filoham-pirenena izy ireo. Hampiasaina amin’ny sosialim-bahoaka avy hatrany, hono, ny vola. Tadidio fa raha izay no misy dia tsy maintsy herintaona ao aoriana, izany hoe amin’ny 2020 vao azo ampiasaina ny vola fa tsy eo no ho eo izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.