Politique

Fandrarana ny fanotofana tany Tsy te hiara-kiasa amin’ny CUA ny Polisy ?


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Namoaka didim-pitondrana Monisipaly laharana 001- CUA /CAB- 15 ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana ny alarobia 7 oktobra 2015 mampihantona ny asa fanotofana sy fanalana tany ary fitaterana tany nesorina na tany hanotofana eto amin’ny fiadidina ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.

 

 Ny zava-misy dia mbola ahitana sy andrenesana tranga fanotofana tany amin’ny toerana samihafa eto an-drenivohitra toy ny teny Soavimasoandro, ny antoandron’ny sabotsy 10 oktobra teo. Misy fiarabe mitatitra ranontany tsy amin’ahiahy. Tetsy amin’ny «boulevard de l’Europe» aza moa mitazam-potsiny ny polisy nefa kamiao mitaona tany izao no sakanany. Tsy te hiara-kiasa sa misy manao lava tanana ? Tsy mora ny asa miandry ny Ben’ny tanàna, hamerenana ny fanarahan-dalàna sy hanadiovana ny gaboraraka navelan’ny tetezamita teto an-drenivohitra.


 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT