Politique

Fandrarana famoriam-bahoaka Resy indray ny fanjakana


  • Alarobia 23 Mey 2018

Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ny fangatahana nataon’ny depioten’ny fanovana mba hanafoanana ilay didy mandrara ny famoriam-bahoaka isaky ny faritany ivelan’Antananarivo.

Nisy mantsy ny didy nivoaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra momba izany rehefa nafana ny hetsi-panoherana nahazo vahana hatrany amin’ny faritany, ka nampikoropaka ny fanjakana izay nandray fanapahan-kevitra mitanila satria tsy sahy nikitika sy nandrara ny hetsi-bahoaka notarihin’ny depioteon’ny fanovana teto Antananarivo, fa nanangam-bovona kosa ho an’ny any amin’ny faritra, ka nahatonga ny depioten’ny fanovana nametraka fitoriana teny amin’ny Filankevi-panjakana ny 11 mey lasa teo. Toa zary mifanilika sy mifanome tsiny ny ao anatin’ny governemanta raha ny resaka mivoaka momba iny raharaha iny hoe fanapahan-kevitra noraisin’ny olom-bitsy iny. Na izany na tsy izany, dia mihoron-koditra tanteraka ny fitondrana matoa niseho ny toy ireny. Fomba fiady sy fomba fiasa io manitsakitsaka didim-pitsarana io, raha tsy hilaza afa tsy ny efa fahazoan’ny antoko TIM rariny hanao hetsika tetsy Mahamasina hankalaza ny faha-15 taona nisiany fa nohetraketrahina. Ny fahazoan’ny kaominina Mahajanga rariny tamin’ny fahafahana mitokana fotodrafitrasa sy mampiantrano ny vahiny nasaina saingy nosakanana hatramin’ny zotram-piaramanidina rehefa fantatra fa ho avy i Andry Rajoelina. Miha mazava be izao fa manomboka mijoro sy manaja ny lalàna velona, ny rariny sy ny hitsiny ny fitsarana ary tsy hanaiky holalaovin’ny fanjakana ka atao fitaovana politika intsony. Antenain’ny maro fa hitohy hatrany ny ezaka fa tsy hoe amin’izao vanim-potoana izao fotsiny ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT